Ho an'i mama

Ho an'i mama

Roots

04:00

Letras

Ho an'i mama

[intro] 
Mandria ampiadanana mama
Hivoha ho anao ane ny vavahady ny lanitra 
Hitsena anao eny am rahona ane ny anjely
Ary eo ankavanan'ny ray ane enao
[verse 1]
Niezaka iany aho nitraka 
Fa indrisy tsy mety mihitsy
Ilay zavatra rehetra niarahana nizàka
Hoe tsika iala am ty fahoriana
Eee saingy ny masonao efa nikipy
Tsy namana intsony nandao an'ity tany
Manao fanahiniana ny tsy alahelo
Fa tena tsy nety mihitsy izany
Fa ianao efa tsy mitsy aina intsony
No indrisy tazako eo anoloako eo
Foana atreo izany ny ezaka rehetra kasaina atao
Fa ianao lasa nakany am mandrakizay
Eny e, ekeko fa izay no fandaharana tao
De fahatsiarovana sisa ny niarahana atrizay
Dia lasa enao nandao ny tany
Aza manahy enao maty namela mamy
Tsy misy adino ny teninao rehetra
Oatra oe aza kivy misedra
Ity fiainana misy mamy misy mangidy
Enao olontokana nefa be adidy
Betsaka ny tsiaro navelanao
Tsy mijanona ho malahelo fotsiny aho
Fa anatanteraka ny tsy mbola vita
Ireo kasaina atao ireo karazana vina
[Shorys]
Tena nandao anay tokoa moa ianao
Tena betsaka ny tsy nino
Mandria am piadanana e
Efa mivoha ho anao ny vavahadiny lanitra
[verse 2]